Josiah's Reforms
1. Josiah was eight years old when he began to reign, and he reigned in Jerusalem one and thirty years.
1. Josias avait huit ans lorsqu`il devint roi, et il régna trente et un ans à Jérusalem.
1. Valo taona Josia, fony izy vao nanjaka, ary iraika amby telopolo taona no nanjakany tany Jerosalema.
2. And he did that which was right in the sight of the LORD, and walked in the ways of David his father, and declined neither to the right hand, nor to the left.
2. "Il fit ce qui est droit aux yeux de l`Éternel, et il marcha dans les voies de David, son père; il ne s`en détourna ni à droite ni à gauche."
2. Ary nanao izay mahitsy eo imason' i Jehovah izy ka nandeha tamin' ny lalan' i Davida rainy, fa tsy mba nivily na ho amin' ny ankavanana na ho amin' ny ankavia.
3. For in the eighth year of his reign, while he was yet young, he began to seek after the God of David his father: and in the twelfth year he began to purge Judah and Jerusalem from the high places, and the groves, and the carved images, and the molten images.
3. "La huitième année de son règne, comme il était encore jeune, il commença à rechercher le Dieu de David, son père; et la douzième année, il commença à purifier Juda et Jérusalem des hauts lieux, des idoles, des images taillées et des images en fonte."
3. "Fa tamin' ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia niantomboka nitady an' Andriamanitr' i Davida rainy; ary tamin' ny taona faharoa ambin' ny folo kosa dia niantomboka nanadio an' i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy fitoerana avo, na Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra an' idina intsony."
4. And they brake down the altars of Baalim in his presence; and the images, that were on high above them, he cut down; and the groves, and the carved images, and the molten images, he brake in pieces, and made dust of them, and strowed it upon the graves of them that had sacrificed unto them.
4. "On renversa devant lui les autels des Baals, et il abattit les statues consacrées au soleil qui étaient dessus; il brisa les idoles, les images taillées et les images en fonte, et les réduisit en poussière, et il répandit la poussière sur les sépulcres de ceux qui leur avaient sacrifié;"
4. "Ary noravan' ny olona teo anatrehan' i Josia ny alitaran' ireo Bala; ary ny tsangambaton' ny masoandro teo amboniny dia nokapainy; ary ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin'ny sarin-javatra an' idina, dia novakivakiany sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin' ny fasan' ireo izay efa nanao fanatitra ho azy."
5. And he burnt the bones of the priests upon their altars, and cleansed Judah and Jerusalem.
5. et il brûla les ossements des prêtres sur leurs autels. C`est ainsi qu`il purifia Juda et Jérusalem.
5. Ary nandoro ny taolan' ny mpisorona teo ambonin' ny alitarany izy, ka dia nanadio an' i Joda sy Jerosalema.
6. And so did he in the cities of Manasseh, and Ephraim, and Simeon, even unto Naphtali, with their mattocks round about.
6. Dans les villes de Manassé, d`Éphraïm, de Siméon, et même de Nephthali, partout au milieu de leurs ruines,
6. Ary toy izany no nataony tany amin' ny tanànan' ny Manase sy ny Efraima sy ny Simeona hatrany amin' ny Naftaly tamin' ny angadi-lapikany teo amin' ny tanànany manodidina.
7. And when he had broken down the altars and the groves, and had beaten the graven images into powder, and cut down all the idols throughout all the land of Israel, he returned to Jerusalem.
7. il renversa les autels, il mit en pièces les idoles et les images taillées et les réduisit en poussière, et il abattit toutes les statues consacrées au soleil dans tout le pays d`Israël. Puis il retourna à Jérusalem.
7. Ary rehefa noravany ny alitara sy ny Aseraha, ary ny sarin-javatra voasokitra nomongomongoiny ho vovoka, ary ny tsangambaton-tsampy rehetra eran' ny tanin' ny Isiraely rehetra nokapainy, dia niverina ho any Jerosalema izy.
8. Now in the eighteenth year of his reign, when he had purged the land, and the house, he sent Shaphan the son of Azaliah, and Maaseiah the governor of the city, and Joah the son of Joahaz the recorder, to repair the house of the LORD his God.
8. La dix-huitième année de son règne, après qu`il eut purifié le pays et la maison, il envoya Schaphan, fils d`Atsalia, Maaséja, chef de la ville, et Joach, fils de Joachaz, l`archiviste, pour réparer la maison de l`Éternel, son Dieu.
8. Ary tamin' ny taona fahavalo ambin' ny folo nanjakany, rehefa voadiony ny tany sy ny trano, dia naniraka an' i Safana, zanak' i Azalia sy Mahaseia, komandin' ny tanàna ary Joa, zanak' i Joahaza mpitadidy ny raharaham-mpanjakana izy mba hamboatra ny tranon' i Jehovah Andriamaniny.
9. And when they came to Hilkiah the high priest, they delivered the money that was brought into the house of God, which the Levites that kept the doors had gathered of the hand of Manasseh and Ephraim, and of all the remnant of Israel, and of all Judah and Benjamin; and they returned to Jerusalem.
9. Ils se rendirent auprès du souverain sacrificateur Hilkija, et on livra l`argent qui avait été apporté dans la maison de Dieu, et que les Lévites gardiens du seuil avaient recueilli de Manassé et d`Éphraïm et de tout le reste d`Israël, et de tout Juda et Benjamin et des habitants de Jérusalem.
9. "Ary rehefa tonga teo amin' i Hilkia mpisoronabe ireo, dia natolony ny vola izay nampidirina tao an-tranon' Andriamanitra, izay efa nangonin' ny Levita, mpiandry varavarana, tamin' ny Manase sy ny Efraima sy ny sisa rehetra tamin' ny Isiraely, ary tamin' ny Joda sy ny Benjamina rehetra; dia niverina tany Jerosalema ireo."
10. And they put it in the hand of the workmen that had the oversight of the house of the LORD, and they gave it to the workmen that wrought in the house of the LORD, to repair and amend the house:
10. On le remit entre les mains de ceux qui étaient chargés de faire exécuter l`ouvrage dans la maison de l`Éternel. Et ils l`employèrent pour ceux qui travaillaient aux réparations de la maison de l`Éternel,
10. "Ary natolony ho eo an-tanan' ny lehiben' ny mpiasa izay voatendry hitandrina ny amin' ny tranon' i Jehovah izany, ary natolotr' ireo kosa ho an' ny mpiasa izay niasa tao an-tranon' i Jehovah hanamboarana sy hanamafisana ny trano;"
11. Even to the artificers and builders gave they it, to buy hewn stone, and timber for couplings, and to floor the houses which the kings of Judah had destroyed.
11. pour les charpentiers et les maçons, pour les achats de pierres de taille et de bois destiné aux poutres et à la charpente des bâtiments qu`avaient détruits les rois de Juda.
11. Dia nomeny ho an' ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato hamidy vato voapaika sy hazo hatao sakamandimby sy lampihazo ho amin' ny trano izay nosimban' ny mpanjakan' ny Joda.
12. And the men did the work faithfully: and the overseers of them were Jahath and Obadiah, the Levites, of the sons of Merari; and Zechariah and Meshullam, of the sons of the Kohathites, to set it forward; and other of the Levites, all that could skill of instruments of musick.
12. "Ces hommes agirent avec probité dans leur travail. Ils étaient placés sous l`inspection de Jachath et Abdias, Lévites d`entre les fils de Merari, et de Zacharie et Meschullam, d`entre les fils des Kehathites; tous ceux des Lévites qui étaient habiles musiciens surveillaient les manoeuvres"
12. "Ary ny olona dia nanao ny asa tamin' ny fahamarinana; ary ny voatendry hifehy azy dia Jahata sy Obadia Levita, avy tamin' ny taranak' i Merary, ary Zakaria sy Mesolama avy tamin' ny taranaky ny Kehatita izay hampandroso azy, ary ny Levita hafa rehetra izay nahay ny zava-maneno."
13. Also they were over the bearers of burdens, and were overseers of all that wrought the work in any manner of service: and of the Levites there were scribes, and officers, and porters.
13. "et dirigeaient tous les ouvriers occupés aux divers travaux; il y avait encore d`autres Lévites secrétaires, commissaires et portiers."
13. "Ary ireo koa no tonian' ny mpitondra entana sady nifehy izay rehetra nanao raharaha tamin' ny taozavatra samy hafa rehetra; ary avy tamin' ny Levita dia nisy mpanoratra sy mpifehy ary mpiandry varavarana."
The Book of the Law Found
14. And when they brought out the money that was brought into the house of the LORD, Hilkiah the priest found a book of the law of the LORD given by Moses.
14. Au moment où l`on sortit l`argent qui avait été apporté dans la maison de l`Éternel, le sacrificateur Hilkija trouva le livre de la loi de l`Éternel donnée par Moïse.
14. Ary raha namoaka ny vola izay nampidirina tao an-tranon' i Jehovah izy, Hilkia mpisorona dia nahita ny bokin' ny lalàn' i Jehovah nomena tamin' ny alalan' i Mosesy.
15. And Hilkiah answered and said to Shaphan the scribe, I have found the book of the law in the house of the LORD. And Hilkiah delivered the book to Shaphan.
15. Alors Hilkija prit la parole et dit à Schaphan, le secrétaire: J`ai trouvé le livre de la loi dans la maison de l`Éternel. Et Hilkija donna le livre à Schaphan.
15. Ary namaly Hilkia ka nanao tamin' i Safana mpanoratra hoe: Ny bokin' ny lalàna dia hitako tao an-tranon' i Jehovah. Dia natolotr' i Hilkia an' i Safana ny boky.
16. And Shaphan carried the book to the king, and brought the king word back again, saying, All that was committed to thy servants, they do it.
16. "Schaphan apporta le livre au roi, et lui rendit aussi compte, en disant: Tes serviteurs ont fait tout ce qui leur a été commandé;"
16. Ary nitondra ny boky ho any amin' ny mpanjaka Safana sady nitondra teny ho any amin' ny mpanjaka indray nanao hoe: Izay rehetra nasaina nataon' ny mpanomponao dia nataony izany.
17. And they have gathered together the money that was found in the house of the LORD, and have delivered it into the hand of the overseers, and to the hand of the workmen.
17. ils ont amassé l`argent qui se trouvait dans la maison de l`Éternel, et l`ont remis entre les mains des inspecteurs et des ouvriers.
17. Ary nangoniny ny vola izay hita tao an-tranon' i Jehovah ka natolony teo an-tanan' ny olona mpifehy sy teo an-tanan' ny mpiasa.
18. Then Shaphan the scribe told the king, saying, Hilkiah the priest hath given me a book. And Shaphan read it before the king.
18. Schaphan, le secrétaire, dit encore au roi: Le sacrificateur Hilkija m`a donné un livre. Et Schaphan le lut devant le roi.
18. Ary Safana mpanoratra nilaza tamin' ny mpanjaka hoe: Hilkia mpisorona nanome boky ahy. Ary novakian' i Safana teo anatrehan' ny mpanjaka izany.
19. And it came to pass, when the king had heard the words of the law, that he rent his clothes.
19. Lorsque le roi entendit les paroles de la loi, il déchira ses vêtements.
19. Ary izao no niseho, rehefa ren' ny mpanjaka ny tenin' ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy,
20. And the king commanded Hilkiah, and Ahikam the son of Shaphan, and Abdon the son of Micah, and Shaphan the scribe, and Asaiah a servant of the king's, saying,
20. Et le roi donna cet ordre à Hilkija, à Achikam, fils de Schaphan, à Abdon, fils de Michée, à Schaphan, le secrétaire, et à Asaja, serviteur du roi:
20. Ary ny mpanjaka nandidy an' i Hilkia sy Ahikama, zanak' i Safana sy Abdona, zanak' i Mika sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon' ny mpanjaka nanao hoe:
21. Go, enquire of the LORD for me, and for them that are left in Israel and in Judah, concerning the words of the book that is found: for great is the wrath of the LORD that is poured out upon us, because our fathers have not kept the word of the LORD, to do after all that is written in this book.
21. "Allez, consultez l`Éternel pour moi et pour ce qui reste en Israël et en Juda, au sujet des paroles de ce livre qu`on a trouvé; car grande est la colère de l`Éternel qui s`est répandue sur nous, parce que nos pères n`ont point observé la parole de l`Éternel et n`ont point mis en pratique tout ce qui est écrit dans ce livre."
21. "Andeha manontany amin' i Jehovah ho ahy sy izay sisa amin' ny Isiraely sy ny Joda ny amin' ny tenin' ny boky, izay vao hita; fa lehibe ny fahatezeran' i Jehovah aidiny amintsika noho ny tsy nitandreman' ny razantsika ny tenin' i Jehovah hanao araka izay rehetra voasoratra amin' io boky io."
22. And Hilkiah, and they that the king had appointed, went to Huldah the prophetess, the wife of Shallum the son of Tikvath, the son of Hasrah, keeper of the wardrobe; (now she dwelt in Jerusalem in the college:) and they spake to her to that effect.
22. Hilkija et ceux qu`avait désignés le roi allèrent auprès de la prophétesse Hulda, femme de Schallum, fils de Thokehath, fils de Hasra, gardien des vêtements. Elle habitait à Jérusalem, dans l`autre quartier de la ville. Après qu`ils eurent exprimé ce qu`ils avaient à lui dire,
22. Ary Hilkia sy izay notendren' ny mpanjaka dia nankany amin' ny Holda mpaminanivavy vadin' i Saloma, zanak' i Tokehata, zanak' i Hasra, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tany Jerosalema tao amin' ny trano fianarana ambony ravehivavy) ary niresaka izany zavatra izany taminy izy ireo.
23. And she answered them, Thus saith the LORD God of Israel, Tell ye the man that sent you to me,
23. elle leur répondit: Ainsi parle l`Éternel, le Dieu d`Israël: Dites à l`homme qui vous a envoyés vers moi:
23. Dia namaly azy ireo ravehivavy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin' izay lehilahy naniraka anareo taty amiko hoe:
24. Thus saith the LORD, Behold, I will bring evil upon this place, and upon the inhabitants thereof, even all the curses that are written in the book which they have read before the king of Judah:
24. Ainsi parle l`Éternel: Voici, je vais faire venir des malheurs sur ce lieu et sur ses habitants, toutes les malédictions écrites dans le livre qu`on a lu devant le roi de Juda.
24. "Izao no lazain' i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin' ity tanàna ity sy ny mponina eto, dia ny ozona rehetra izay voasoratra ao amin' ny boky efa novakina teo anatrehan' ny mpanjakan' ny Joda;"
25. Because they have forsaken me, and have burned incense unto other gods, that they might provoke me to anger with all the works of their hands; therefore my wrath shall be poured out upon this place, and shall not be quenched.
25. Parce qu`ils m`ont abandonné et qu`ils ont offert des parfums à d`autres dieux, afin de m`irriter par tous les ouvrages de leurs mains, ma colère s`est répandue sur ce lieu, et elle ne s`éteindra point.
25. Satria nahafoy Ahy izy ka nandoro ditin-kazo manitra ho an' ny andriamani-kafa mba hampahatezitra ahy tamin' ny asan' ny tanany rehetra, dia haidina amin' ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.
26. And as for the king of Judah, who sent you to enquire of the LORD, so shall ye say unto him, Thus saith the LORD God of Israel concerning the words which thou hast heard;
26. Mais vous direz au roi de Juda qui vous a envoyés pour consulter l`Éternel: Ainsi parle l`Éternel, le Dieu d`Israël, au sujet des paroles que tu as entendues:
26. "Fa ny amin' ny mpanjakan' ny Joda kosa izay naniraka anareo hanontany amin' i Jehovah, dia izao no hambarao aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely ny amin' ny teny izay efa renao;"
27. Because thine heart was tender, and thou didst humble thyself before God, when thou heardest his words against this place, and against the inhabitants thereof, and humbledst thyself before me, and didst rend thy clothes, and weep before me; I have even heard thee also, saith the LORD.
27. Parce que ton coeur a été touché, parce que tu t`es humilié devant Dieu en entendant ses paroles contre ce lieu et contre ses habitants, parce que tu t`es humilié devant moi, parce que tu as déchiré tes vêtements et que tu as pleuré devant moi, moi aussi, j`ai entendu, dit l`Éternel.
27. Satria nalefaka ny fonao ka nanetry tena teo anatrehan' Andriamanitra ianao, raha nandre ny teniny hamelezana ity tanàna ity sy ny mponina eto, dia nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako, dia efa nihaino anao koa Aho, hoy Jehovah.
28. Behold, I will gather thee to thy fathers, and thou shalt be gathered to thy grave in peace, neither shall thine eyes see all the evil that I will bring upon this place, and upon the inhabitants of the same. So they brought the king word again.
28. Voici, je te recueillerai auprès de tes pères, tu seras recueilli en paix dans ton sépulcre, et tes yeux ne verront pas tous les malheurs que je ferai venir sur ce lieu et sur ses habitants. Ils rapportèrent au roi cette réponse.
28. Koa, indro, hangoniko any amin' ny razanao ianao ary hangoniko any amin' ny fasanao amin' ny fiadanana, ka ny masonao dia tsy mba hahita ny loza rehetra hoentiko mamely ity tanàna ity sy ny mponina eo aminy. Dia nitondra teny ho any amin' ny mpanjaka indray izy ireo.
29. Then the king sent and gathered together all the elders of Judah and Jerusalem.
29. Le roi fit assembler tous les anciens de Juda et de Jérusalem.
29. Ary ny mpanjaka naniraka nanangona ny loholon' ny Joda sy Jerosalema rehetra.
30. And the king went up into the house of the LORD, and all the men of Judah, and the inhabitants of Jerusalem, and the priests, and the Levites, and all the people, great and small: and he read in their ears all the words of the book of the covenant that was found in the house of the LORD.
30. Puis il monta à la maison de l`Éternel avec tous les hommes de Juda et les habitants de Jérusalem, les sacrificateurs et les Lévites, et tout le peuple, depuis le plus grand jusqu`au plus petit. Il lut devant eux toutes les paroles du livre de l`alliance, qu`on avait trouvé dans la maison de l`Éternel.
30. "Dia niakatra ho ao an-tranon' i Jehovah ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra tamin' ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema mbamin' ny mpisorona sy ny Levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely; dia novakiany teo anatrehany ny teny rehetra tao amin' ny bokin' ny fanekena, izay hita tao an-tranon' i Jehovah."
31. And the king stood in his place, and made a covenant before the LORD, to walk after the LORD, and to keep his commandments, and his testimonies, and his statutes, with all his heart, and with all his soul, to perform the words of the covenant which are written in this book.
31. Le roi se tenait sur son estrade, et il traita alliance devant l`Éternel, s`engageant à suivre l`Éternel, et à observer ses ordonnances, ses préceptes et ses lois, de tout son coeur et de toute son âme, afin de mettre en pratique les paroles de l`alliance écrites dans ce livre.
31. Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin' ny fitoerany, dia nanao fanekena teo anatrehan' i Jehovah, hanaraka an' i Jehovah sy hitandrina ny didiny sy ny teni-vavolombelony ary ny lalàny amin' ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hanatanteraka ny tenin' ny fanekena izay voasoratra ao amin' izany boky izany.
32. And he caused all that were present in Jerusalem and Benjamin to stand to it. And the inhabitants of Jerusalem did according to the covenant of God, the God of their fathers.
32. "Et il fit entrer dans l`alliance tous ceux qui se trouvaient à Jérusalem et en Benjamin; et les habitants de Jérusalem agirent selon l`alliance de Dieu, du Dieu de leurs pères."
32. Sady nampifikiriny tsara koa ny olona rehetra tany Jerosalema sy ny Benjamina. Ary ny mponina tany Jerosalema dia nanao araka ny faneken' Andriamanitra, dia Andriamanitry ny razany.
33. And Josiah took away all the abominations out of all the countries that pertained to the children of Israel, and made all that were present in Israel to serve, even to serve the LORD their God. And all his days they departed not from following the LORD, the God of their fathers.
33. Josias fit disparaître toutes les abominations de tous les pays appartenant aux enfants d`Israël, et il obligea tous ceux qui se trouvaient en Israël à servir l`Éternel, leur Dieu. Pendant toute sa vie, ils ne se détournèrent point de l`Éternel, le Dieu de leurs pères.
33. Ary Josia nanaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin' ny tany rehetra izay an' ny Zanak' Isiraely sady nandidy izay rehetra teo amin' ny Isiraely hanompo an' i Jehovah Andriamaniny. Tamin' ny andro rehetra niainan' i Josia dia tsy mba niala tamin' ny fanarahana an' i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ny olona.